NIFAMPIZARANA TRAIKEFA NY TETIKASA HARATON’AINA ETO MADAGASIKARA SY KAOMORO
17.10.2022
Rehefa avy nijery ny zava-misy tany amin’ny nosy Kaomoro ireo tomponandraikitra ao amin’ny tetikasa Haraton’aina dia anjaran’ireo mpiandraikitra ny tetikasa Haraton’aina avy any Kaomoro indray no nitsidika an’i Madagadikara.
Naka traikefa teto amintsika izy ireo ka ny Sehatra Mahasoa sy ny paikady famoahana ireo mpisitraka amin’ny fiafaran’ny tetikasa no nahasarika azy ireo.
Anisan’ny toerana notsidihiny ireo toerana misitraka ny tetikasa Haraton’aina : Antananarivo, Antsirabe, Manakara, Vohipeno.
Naneho ny fahafam-po tanteraka izy ireo nandritry ny herinandro nanaovana fitsidihana.