Nitsidika ara-pomba fanajana an’i Ramatoa Minisitra Michelle Bavy Angelica ireo Karana ao amin’ny Vondrona Bohra
Voaresaka tao ny fomba afahan’ny roa tonta miara-miasa akaiky mba hitondra tombontsoa ho an’ny mponina eto Madagasikara. Anisan’izany :
– ny fanamboarana toeram-pidiovana amin’ny faritra Besarety, Isotry, Tsaralalana ;
– ny fananganana toerana fanasan-damba ;
– ny fametahana jiro mandeha amin’ny herin’ny masoandro amin’ireo faritra mbola maizina ;
– ny tolo-tanana ho an’ireo Mponina misedra ny kere any Atsimo.
Ny asabotsy 16 janoary dia hanolotra sakafo masaka ho an’ireo zokiolona anarivony ny Vondrona Bohra ka ho atrehin’ireo tomponandraikitra maro eto an-toerana.
Nandritry ny fifampiresahana no nizaran’izy ireo ny hafatry ny Ray Masin’izy ireo hoe : « Manaova soa amin’izay toerana misy anareo ».
Des représentants de la Communauté Bohra ont effectué une visite de courtoisie auprès de la Ministre de la Population Michelle Bavy Angelica.