NITSIDIKA ARA-POMBA FANAJANA NY MINISITRY NY MPONINA SOAFILIRA PRINCIA NY DELEGASIONA AVY AMIN’NY PROGRAMME ALIMENTAIRE MONDIAL
17.01.2023
Nitsidika ara-pomba fanajana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia ny delegasiona eo anivon’ny Programme Alimentaire Mondial (PAM) izay notarihin’ny Talem-paritra aty amin’ny Faritra Atsimon’ny Afrika Menghetsab Haile sy ny Tale Mpanatanteraka Lefitra Manoj Juneja.
Nandritra ny fihaonana no nanaovana jery todika ny asa vita tany Atsimo tamin’ny fandalovan’ireny andro ratsy ireny.
Nohamafisina hatrany ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta mahakasika ny fiahiana ara-tsosialy fa indrindra ny any amin’ny Faritra Fitovinany amin’ny alalan’ny tohana ara-bola sy ny fanomezana fanampiana.
Noresahina ihany koa ny fanavaozana ny Paikady Nasionaly ho an’ny Fiahiana ara-tSosialy.