NOELY FIRAISANKINA HO AN’IREO ANKIZY SY IREO OLONA MANANA FAHASEMBANANA
Tsy diso anjara amin’ny fankalazana ny Noely ireo ankizy any amin’ny faritra.
Vokatry ny fiaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Orange Madagascar no nahafahana nanatanteraka ity hetsika NOELY FIRAISANKINA ity.
Ny Fitaleavam-paritry ny Mponina any an-toerana miaraka amin’ireo Talem-paritry ny Orange no niandraikitra ny fitsinjarana ireo fanomezana ireo.
Kilalao sy tohana ara-tsakafo no sitrahan’ireo ankizy sy olona manana fahasembanana ireo.