FANOLORANA LAMBA FIRAKOTRA MAFANA HO AN’IREO OLONA TSY MAMAN-KIALOFANA NATAON’NY MINISITRY NY MPONINA MICHELLE BAVY ANGELICA SY IREO MPIARA-MIASA AMINY
Manoloana ny andro efa manomboka mangatsiaka sy ny fiparitahan’ny valan’aretina Covid19 dia nanolotra lamba firakotra mafana ho an’ireo olona tsy maman-kialofana ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica sy ireo mpiara-miasa aminy. Tsenan’Anosibe, Analakely, Tsiazotafo, Behoririka, Rasalama, Ampefiloha, Isotry no notetezina tamin’izany.
Nentanina sy noresena lahatra ihany koa izy ireo hanantona ny MadCap Isotry izay afahany mitoetra, matory ary misakafo.
Ho antsika izay maniry ny hitondra tolo-tanana ho azy ireo dia afaka manantona ny MadCap Isotry ihany koa.