NOMARIHINA MANOKANA TETO ANTANANARIVO RENIVOHITRA NY ANDRO IRAISAM-PIRENENA HO AN’NY VEHIVAVY 2023
08.03.2023
Vehivavy avy amin’ny fikambanana miisa 600 mahery avy amin’ny lafy valon’ny Nosy no nandray anjara tamin’ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy teto Antananarivo.
Nanome voninahitra ny fotoana ny Filohampirenena Andry RAJOELINA sy Ramatoa vadiny. Notronin’ireo Lehiben’ny andrim-panjakana sy ireo Minisitra vehivavy mpikambana ao amin’ny governemanta.
Tontosa ny filaharam-be nataon’ireo fikambanam-behivavy izay narahina fandraisam-pitenenanan’ireo manam-pahefana isan- tsokajiny. Teo ihany koa ny fanomezan-danja manokana ireo artista vehivavy izay nampiseho ny talentany.
Nankasitraka manokana ireo vehivavy rehetra manerana ny Nosy tamin’ny fandraisan’anjaran’izy ireo tamin’ny fanatontosana izao hetsika izao ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Nisaotra ny Association Fitia sy ny filohan’ny Repoblika ihany koa izy tamin’ny fanohanana rehetra ho fahatanteraha ny hetsika rehetra noentina nankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Nanamafy izy fa mbola lavitra ny lalana na dia efa maro aza ny ezaka vita.
« Fanabeazana ny ankizivavy, fampizakan-tena ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana lovain-jafy”