NORAISIN’NY MINISITRY NY MPONINA TAO AMIN’NY BIRAONY NY FILOHAN’IREO OLONA VARIRA SY NY SOLONTENAN’IREO MPIKAMBANA MANERANA AN’I MADAGASIKARA
15.11.2022
Anisan’ny Mponina ihany koa ny olona Varira ka tsy azo ahilika. Izay no antony nandraisan’ny Minisitra SOAFILIRA Princia azy ireo tao amin’ny toerana fiasany.
Nihaino ny fitarainana sy ny hetahetan’izy ireo ny Minisitra ka fantatra tamin’izany fa misy manam-pahaizana tokoa ireo olona Varira.
Nitondra vahaolana avy hatrany ny Minisitry ny Mponina ka ankoatry ny Tetikasa iarahana amin’ireo olona Varira dia misy amin’izy ireo no ho raisina ho Mpiasam-panjakana, hitondra ny fahalalana norantoviny ho fampiroboroboana ny Minisiteran’ny Mponina.