NOTOLORANA HENA IREO OLONA TSY MANAN-KIALOFANA RAISIN’NY MINISITERAN’NY MPONINA AN-TANANA
Nanolotra vary sy hena ho an’ireo mponina ao amin’ny ivotoerana mitsinjo(SEBA) sy Akany fialofana (Madcap) Isotry ny Minisiteran’ny Mponina sy ny ONG Direct’AID ny talata 19 jolay 2022.
Nitarika ny fizarana izany ny Tale Jeneralin’ny Mponina Andry RAKOTONDRAINIBE izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia. Natao izany ho tohan’aina ho azy ireo amin’izao andro mangatsiaka izao.