NOTOLORAN’NY MINISITRY NY MPONINA FAUTEUIL ROULANT I AVOTRA. ZAZAVAVY 12 TAONA TRATRY NY ARETIN’NY TAOLANA
Notoloran’ny Minisitry ny Mponina Fauteuil roulant i Avotra. Zazavavy 12 taona tratry ny aretin’ny taolana ka voatery notapahana ny tongony havanana.
Ny fihaonana dia vokatry ny antso izay nataon’i Mme Mirana, olona tsara sitrapo izay nandray an-tanana ny fikarakarana azy taty an-drenivohitra. Tao amin’ny hopitaly HJRA no nanatanterahana ny fandidiana ary efa sitrana i Avotra ankehitriny.
Ny Minisiteran’ny Mponina dia mirary fahasalamana feno ho an’i Avotra sy ho an’ireo zaza manerana ny Nosy.
La Ministre de la Population a offert un fauteuil roulant à Avotra. A 12 ans, sa jambe droite a été amputée suite à un problème de santé.
La Ministre Michelle Bavy Angelica souhaite un prompt rétablissement à Avotra et une bonne santé à tous les enfants du pays.