POLITIKA NASIONALY HO AN’NY MIRALENTA
03.11.2022
Notanterahina androany ny atrik’asa fikaonan-doha mahakasika ny Politika nasionaly ho an’ny miralenta izay tafiditra ao anatin’ny velirano faha-8 an’ny Filoha Andry RAJOELINA.
Natao izany mba hahafahana mametraka sy mampisongadina ny vehivavy eo amin’ny fiaraha-monina sy amin’ny sehatra rehetra.
Nitarika ny fotoana ny Sekretera Jeneraly eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.