RESENTSIKA MIARAKA NY HERISETRA
09.10.2022
Notanterahina teto Antananarivo nandritry telo andro ny atrik’asa mahakasika ny fandrafetana ny rafi-panentanana amin’ny ady hatao amin’ny herisetra.
Ny Minisiteran’ny Mponina sy ny USAID ACCESS ary ireo mpisehatra rehetra amin’ny ady hatao amin’ny herisetra no nifandrimbona tamin’izany.
Natao izao atrik’asa izao hametrahana ireo paikady entina hampihenana ny herisetra amin’ny alalan’ny fanentanana mahomby amin’ny fisorohana sy ny ady atao amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy sy amin’ny maha vavy.
Nararaotina ihany koa ny fotoana nifampizarana traikefa hahafahana mandray andraikitra manoloana ny herisetra mitranga eny anivon’ny fiaraha-monina.
Niaraha-nanaiky nandritra izany ny teny filamatra iombonan’’ireo mpiantsehatra rehetra amin’ny ady hatao amin’ny herisetra : RESENTSIKA MIARAKA NY HERISETRA.
Nitarika izany ny Tale Jeneralin’ny Fampivoarana ny Vehivavy RABETALIANA Rova izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.