RODOBE HO AN’NY FAHASALAMANA
07.06.2022
RODOBE HO AN’NY FAHASALAMANA
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny rodobe ho an’ny fahasalamana teo amin’ny lapan’Iavoloha ny vadin’ny Filoham-pirenena Mialy RAJOELINA androany.
Nanotrona azy tamin’izany ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Mianga eto Antananarivo ary hihazo ny Atsinanan’ny Nosy ny rodobe izay ahitana tolotra ara-pahasalamana maro. Hisy ihany koa ny fanentanana amin’ny ady hatao amin’ny herisetra.