SDPPSPF MORAMANGA: Notolorana « Kits de dignité » miisa 35 ireo Vehivavy MAREFO
Notolorana « Kits de dignité » miisa 35 ireo Vehivavy MAREFO : bevohoka, mpanasa lamba, Vehivavy sy tovovavy niharan’ny herisetra, teto amin’ny Renivohitry ny Distrikan’i Moramanga.

Nanaovana fanentanana momba ny ady amin’ny herisetra koa izy ireo ary mba sahy hitoroka raha mahita tranga eny anivon’ny fiarahamoninana. Nahitana Seau, Cuvette, Savony, Brosy nify, Lambahoany, … no nomena azy ireo tamin’izany.
Velom-pisaorana ny fitondram-panjakana ankehitriny tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Mponina sy mpiara-miombon’antoka izy ireo noho izany .
« Tsy misy manana ny hoy izy ireo fa sambatra izay mifanampy ».