Sosialim-bahoaka (Boriboritany faha 6)
2600 fianakaviana no hisitraka sosialim-bahoaka androany eto amin’ny Boriboritany faha 6. Notanterahina ny Alatsinainy 24 aogositra 2020 teto Andranomena ny fanombohana ny fisantarana ny fanolorana niarahana tamin’ny Minisitry ny Mponina Michelle Bavy Angelica , ny Governoran’ny Faritra Analamanga Hery Rasoamaromaka, ny Solombavambahoaka . Izao hetsika izao izay tafiditra ao anatin’ny fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana iatrehana ny hamehana ara-pahasalamana noho ny fianaky ny coronavirus.