TANORA MARO ETO ANTSIRANANA NO TONGA MANATRIKA NY FANENTANANA ATAON’IREO SOLOTENAN’NY FIRENENA MIKAMBANA MANOLOANA NY FIOVAN’NY TOETRANDRO SY NY FIRONGATRY NY HERISETRA.
Tanora maro eto Antsiranana no tonga manatrika ny fanentanana ataon’ireo solotenan’ny Firenena Mikambana manoloana ny fiovan’ny toetrandro sy ny firongatry ny herisetra.
Entanina ireo tanora handray fepetra manoloana ny fahasimban’ny toetrandro. Ampahafantarina azy ireo ihany koa ny karazana herisetra miseho amin’izao fotoana izao.
Tanjona amin’izany ny mba handraisan’ireo tanora anjara amin’ny fampiharana ireo fihetsika tsotra entina miatrika ny fiovan’ny toetrandro ao anatin ilay campagne ACT NOW : agir contre le changement climatique. Ho apetraka ihany koa ny tambazotran’ireo tanora ao anatin’ny Tanjon’ny Fampandrosoana Maharitra (ODD).
Miara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.