TANTSOROKA HO AN’IREO TRABOINA ETO ANTANANARIVO
TANTSOROKA HO AN’IREO TRABOINA ETO ANTANANARIVO
Mitohy hatrany ny fikarohana vahaolana ho an’ireo traboina. Tsy maintsy karakaraina ary tsy maintsy omena ny sakafo sahaza azy izy ireo araka ny toro-marika avy amin’ny Filoha Andry RAJOELINA.
Ho jerena manokana ihany koa ireo tanàna izay dibo-drano ka omena fanampiana any an-toerana ireo mponina traboina. Ny fiaraha-miasa eo amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny Faritra Analamanga no hahafahana manatanteraka izany.
Araka izany dia samy manana ny anjara birikiny entina hanampiana ireo traboina ireo ny tomponandraikitra isan-tsokajiny.
Ny Minisiteran’ny Mponina izay tarihin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia dia manohy ny fikarakarana, manome toro-hevitra fa indrindra ny manohan’aina azy ireo amin’ny alalan’ny sakafo mafana sy ara-pahasalamana isanandro.