TETIKASA ARATON’AINA | FIOFANANA MAHAKASIKA NY VONJY AINA AO MAHAJANGA
TETIKASA ARATON’AINA | FIOFANANA MAHAKASIKA NY VONJY AINA AO MAHAJANGA
Nanaraka fiofanana mahakasika ny vonjy aina ao Mahajanga ireo mpiantsehatra avy ao amin’ny tetikasa Araton’Aina ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina.
Midina ifotony matetika ireo mpiantsehatra ao amin’ny tetikasa Araton’Aina ka ilaina ny fahafantarana ireo fihetsika tsotra nefa manavotra ny aina.
Ny Croix Rouge Malagasy no mizara traikefa mandritry ny ateloana. Ny fiofanana omen’ny Croix Rouge Malagasy dia manaraka ny fenitra iraisam-pirenena ary heken’izao tontolo izao.
Mitarika azy ireo ny Sekretera Jeneraly RAKOTONIRINA Patricia sy ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana Sosialy RIVOMANANA Ghisbert ao amin’ny Minisiteran’ny Mponina.