TETIKASA HARATON’AINA ASA AVOTRA MIRINDRA DISTRIKAN’NY VANGAINDRANO. IRAY VOLAN’NY FIAHIANA ARA-TSOSIALY.
Fitsinjarana ny tambin-karama nandritra asa roapolo (20) andro, andiany fahadimy (05) hoan’ireo mpisitraka miisa 6000 tokan-trano, tao amin’ny kaominina miisa folo(10)- Amparihy EST- Fenoambany -Ihara – Bema- Vohimalaza- Vohipaho- Ampasimalemy -Ranomena- Ampataka-Matanga.
Nandritra ny fidinana ifotony dia nisy ny dinidinika niarahana tamin’ireo mpisitraka amin’ny famporisihana azy ireo mba hampihatra hatrany isan-tokatrano ireo teknika fambolena nianarana, nisy ihany koa ny fanentanana ny amin’ny fanaovana tahiry sy ny fiompiana mba ho entina hanatsarana ny fihariana, nidina ifotony ihany koa nijery ireo asa vitan’ireo mpisitraka izay narahina tafatafa sy dinidika maro Samy hafa.
Tsapa sahady ny fivoaran’ny farimpiainan’ireo mpisitraka.