TETIK’ASA HARATON’AINA – ASA VONJY VOINA
Faritra MATSIATRA AMBONY| Distrika FIANARANTSOA
TETIK’ASA HARATON’AINA – ASA VONJY VOINA
Fandraisana ara- teknika ny fandaharan’asa « ASA VONJY VOINA » tao amin’ny kaominina ambonivohitra Fianarantsoa.
Fanarenana n’y Fefiloha ao Ankazobe,
Fanarenana ny làlana ao Anolaka Talatamaty,
Fanamboarana làlana pavé ao Ambonifahidrano sy tao Tsimanarirazana.
Tokantrano marefo miisa 450 no nisitraka ity fandaharan’asa ity ary nandritry ny 20 andro no nanatanterahana ny asa.
Tonga nanatrika izany ireo manam-pahefana isan-tsokajiny ao Fianarantsoa niaraka tamin’ny
Fitaleavam-paritry ny mponina sy ny Tale iraisam-paritry ny FID ao amin’ny faritra Matsiatra Ambony.