TETIKASA HARATON’AINA MANARAKA FIOFANANA MAHAKASIKA NY FAHAIZA-MISERASERA IREO TALEM-PARITRY NY MINISITERAN’NY MPONINA MIISA 15
14.02.2023 – 18.02.2023
TETIKASA HARATON’AINA
MANARAKA FIOFANANA MAHAKASIKA NY FAHAIZA-MISERASERA IREO TALEM-PARITRY NY MINISITERAN’NY MPONINA MIISA 15
Tanterahina ao Toamasina, faritra Atsinanana, mandritry ny 5 andro ny fanamafisana ny fahaiza-miserasera ho an’ireo talem-paritry ny Minisiteran’ny Mponina miisa 15 : Atsimo Atsinana, Androy, Anosy, Atsimo Andrefana, Menabe, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania, Analamanga, Alaotra Mangoro, Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy, Fitovinany, Itasy.
Manome tanana amin’izany ireo mpanao gazety.
Natao izao afahan’izy ireo mampitombo ny fahaiza-miserasera amin’ny fampitam-baovao, manabe ireo mpisitraka, mifandray amin’ireo mpisehatra amin’ny fiahiana ara-tsosialy sy fahaiza-mifandray amin’ny samy Talem-paritra.
Mitarika ny atrikasa rehetra ny Sekretera Jeneralin’ny Minisiteran’ny Mponina RAKOTONIRINA Miarisoa Patricia sy ny Tale Jeneralin’ny Fiahiana ara-tsosialy RIVOMANANA Tsarahita Ghisbert izay misolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Ny Haraton’aina dia tetikasan’ny fitondrampanjakana izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina sy tanterahin’ny FID eny ifotony ka ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy vola azy.