TETIKASA HARATONAINA MANOVO MIFANAKALO TRAIKEFA MOMBA NY SEHATRA FIAHIANA ARA-TSOSIALY AO RWANDA IREO TALEM-PARITRY NY MINISITERAN’NY MPONINA SY NY FID
13.03.2023 – 17.03.2023
Ho fanatsarana ny sehatra fiahiana ara-tsosialy indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa Haraton’aina eto Madagasikara dia manovo fahalalana sy mifanakalo traikefa any Kigali, Rwanda ireo delegasiona avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny FID.
Tombontsoa lehibe ho an’ireo Talem- paritra ny fifanakalozana izay iarahana amin’i Rwanda noho izy firenena efa lasa lavitra tokoa raha ny sehatra fiahiana ara-tsosialy no resahina.
Mitarika ireo delegasiona any an-toerana ny « Directeur de la Sécurisation Sociale de la Population » eo anivon’ny Minisiteran’ny Mponina RATOVOMAMONJY Anja Hobiniaina.
Ny Haraton’aina dia tetikasan’ny fitondram-pankajana malagasy, arindran’ny Minisiteran’ny Mponina izay tanterahin’ny FID eny ifotony ka ny Banky iraisam-pirenena no mamatsy azy ara-bola