TETIKASA HARATON’AINA MIFANAKALO TRAIKEFA MOMBA NY RÉGISTRE SOCIALE UNIQUE I DJIBOUTI SY MADAGASIKARA ARY COMORES
15.03.2023 – 21.03.2023
Tontosaina ao Djibouti ny fifanakalozana traikefa mahakasika ny sehatra fiahiana ara-tsosialy. Ny Minisitra ny raharaha sosialy sy ny firaisankina ao Djibouti no nandray ireo delegasionina malagasy sy avy any Comores.
Tanjona ny ampivoarana ny sehatry ny fiahiana ara-tsosialy indrindra ny fanatanterahana ny tetikasa Haraton’aina eto Madagasikara.
Efa lasa lavitra tokoa ny sehatra fiahiana ara-tsosialy ao amin’ity firenena ity. Ho azy ireo dia efa voapetraka ary miasa tsara ny “Régistre sociale unique” na RSU izay fitaovana iray manan-danja mirakitra ny lisitra sy ny mombamomba ireo mpisitraka ny fiahiana ara-tsosialy tsy arahina latsak’emboka. Eo andalam-pizorona amin’ny fametrahana izany kosa i Madagasikara mba hanamorana ny fitsirihana sy ny fanaraha-maso ny fivoaran’ireo tokatrano tena marefo.
Misolo tena ny Minisitra SOAFILIRA Princia ka Mitarika ireo delegasiona any an-toerana ny Tale Jeneraly ny Fiahiana ara-tsosialy RIVOMANANA Ghisbert.