Tetikasa HARATON’AINA – Vatsin’ankohonana
Faritra ANOSY – Distrika TOLAGNARO
Tetikasa HARATON’AINA – Vatsin’ankohonana
Tokantrano miisa 1.230 tao amin’ny kaominina ambanivohitra Manantegny no nisitraka ny tetikasa HARATON’AINA tamin’ny alalan’ny fandaharan’asa Vatsin’anakohonana.
Tohana ara-bola no omena ankohonana marefo ara-pivelomana ireto ka isaky ny 2 volana mandritry ny 3taona no hisitrahany izany.
Tanjon’ny tetikasa ny hananan’ireo tokantrano fahaleovantena ara toe-karena sy fivoaram-piainana amin’ny alalan’ireo fampiofanana sy tantsoroka anatin’ny tetikasa. Isan’izany ny fampidirana an-tsekoly sy ny fandrindrana fiainam-pianakaviana ary ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo.
Nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia teny an-toerana ny Fitaleavam-paritry ny mponina ao amin’ny faritra Anosy notronin’ireo olom-boafidy teny an-toerana.