TETIK’ASA HARATON’AINA-ASA AVOTRA MIRINDRA DISTRICT MANANDRIANA FARITRA AMORON’I MANIA
22.07.23

ASA AVOTRA MIRINDRA DISTRICT MANANDRIANA FARITRA AMORON’I MANIA
Nisy ny fidinana ifotony tao amin’ny Vondron’asa Alarobia Commune Ambovombe Centre izay nataon’ireo Manampahefana rehetra teto anivon’ny Faritra Amoron’i Mania nahafahana nanao tombana ireo asa vita tao anaty 4 taona nisitrahan’ireo 7000 tokatrano ny tohana ara-bola sy tantsoroka
Maro ireo ezaka iombonana sy fampiofanana vita ary efa manodidina ny 50 ha ireo tany voajary nambolena cafe sy asa vadimboly izay iraisan’ny mpisitraka sy ny tompony tany ny vokatra ho azo eo. Efa samy mampihatra ireo tekinika famokarana eny an-tokatrano ireo mpisitraka , maro ireo nijoro vavolombelona fa nahitana vokatra tsara ny Tetik’asa tamin’ny lafiny maro: fizakan-tena ara-bola, fahasalamana, fampianarana, tontolo iainana, fandriampahalenana….
Marihina fa mbola hahazo tohana ara-bola avokoa ireo tokatrano mpisitraka rehefa mifarana ny Tetik’asa mba hahafahan’izy ireo manao Tetik’asa Fihariana Madika afaka mampidi-bola maharitra
Mahatratra 22 OOO tokatrano ireo mpisitraka Asa Avotra Mirindra sy Vatsinankohonana ato amin’ny District Manandriana, Ambositra, Fandriana ary hisokatra tsy ho ela koa ny District Ambatofinandrahana
Manohana ny Fitondram-panjakana, miezaka ny tokatrano tsirairay, miray hina ny rehetra, tonga ny Fampandrosoana ifotony 

Ireo rehetra ireo dia Tetik’asa ny Fitondram-panjakana, izay arindran’ny Ministeran’ny Mponina, ny FID no manantanteraka ifotony ary ny Banky Iraisampirenena no mamatsy Vola
Isaorana ireo Manampahefana rehetra ato anatiny Faritra Amoron’i Mania manome tantsoroka amin’ny fanatanterahana ny Tetik’asa izay nahitana Fahombiazana 
