TETO AMIN’NY FARITRA VATOVAVY ADY AMIN’NY HERISETRA FANARARAOTANA ARA-NOFO (AES)
TETO AMIN’NY FARITRA VATOVAVY
ADY AMIN’NY HERISETRA FANARARAOTANA ARA-NOFO (AES)
✓Tontosa ny fihofanana sy fametrahana ireo solotena isan-tsokajiny momba ireo mpisehatra amin’ny fiahiana ny Mponina rehetra aty ifotony,momba ny ady amin’ny herisetra fanararaotana ara-nofo mahazo ireo vehivavy sy zazavavy indrindra indrindra ( PSEA) natao teto Mananjary.
✓Ireo zavatra nihofanana :
– Ny momba ny herisetra amin’ny ankapobeny.(VBG)
– Ny atao sy handehanan’ireo Mponina raha hitoroka ny tranga misy.(signalement)
– Ny Rafitra miandraikitra ny fandraisana fitorohana sy ny misahana izany.(Circuit de référencement)
– Ny momba ny fandraisana an-tanana sy ny anjara asan’ny tsirairay.(prise en charge psycho-social, juridique, dotation…)
– Ny fanavahana ny herisetra fanararaotana ara-nofo tanterahan’ny mpisehatra mandritra ny Fiahiana ny Mponina (AES) sy ny herisetra ataon’olona tsotra.(VBG)
– Ireo fitsipim-pifehezana mifehy ny mpisehatra isan-tsokajiny.(Code de conduite)
– Ny fitaovana entina manatanteraka izany rehetra izany. (Moyen matériel)
✓Nisongadina :
– Ny ho fijerena manokana an’ny Distrikan’ny Ikongo sy Nosy Varika.
– Ny hanomezana fihofanana manokana ireo sefo Fokontany ihany koa ato ho ato momba izany.
– Ny Fametrahana rafitra ifotony (point focal Task force)
✓Nisitraka ny fihofanana nandritra ny telo andro ireo tompon’andraikitra ara-panjakana ( STD. CTD): Ireo solotenan’ny Faritra,Distrika, Kaominina,ireo mpitandron’ny filaminana ary indrindra ny Fitaleavam-paritrin’ny Mponina Fitovinany sy Vatovavy.
✓Tanjona :
– Ny hampihenana sy hanafoanana ny herisetra fanararaotana ara-nofo ataon’ireo mpisehatra mandritra ny fanatanterahana ny fiahiana ny Mponina.
– Ny hiarovana ireo mponina manoloana ny fisitrahany ny zony mandritra ny fanatanterahana ny fiahiana azy.(PSEA)
Izany rehetra izany dia fiaraha-miasa eo amin’ny Ministeran’ny Mponina sy ny FNUAP