TOHANA HO AN’IREO TRABOINA
TOHANA HO AN’IREO TRABOINA
Ankoatry ny kidoro dia nanolotra lamba fitafy sy firakotra ho an’ireo traboina napetraka ao amin’ny Fokontany Miandrarivo sy EPP Ambohimiandra ao anatin’ny Boriboritany faharoa ny Filoha Andry RAJOELINA.Nitarika ny fizarana ny Solombavambahoaka voafidy tao an-toerana Ramatoa Lanto RAKOTOMANGA sy ny Sekretera Jeneraly eto anivon’ny Minisiteran’ny Mponina izay nisolo tena an-dRamatoa Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Ny fanampiana rehetra dia ho entin’ireo traboina rehefa mamonjy ny fonenany izy ireo ary mbola homen’ny fitondram-panjakana vatsy sy tosika fameno izy ireo hahafahany miarina indray.