TOMBAN’EZAKA MANODIDINA NY ASA FIAHIANA ARA-TSOSIALY HATAON’NY UNICEF
13.12.2022
Tanteraka ny tatitra nataon’ireo tomponandraikitra avy ao amin’ny UNICEF mahakasika ny fiahana ara-tsosialy ho an’ireo mponina tena marefo eto Madagasikara : ireo tokatranao marefo mitaiza ankizy sy olona manana fahasembanana.
Natao ny tomban’ezaka mba afahana mitondra fanatsarana amin’ny lafiny ara-bola ho an’ny taona manaraka sy ny famaliana ara-potoana ny fiahiana ireo olona tena marefo manoloana ny fiovan’ny toetrandro ka isehoan’ireo loza toy ny haitany sy ny rivodoza mahazo ireo faritra maro eto Madagasikara isan-taona.
Nandray anjara feno tamin’ity tomban’ezaka ity ireo solon-tenam-panjakana avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina sy ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola. Tonga maro ihany koa ireo mpiara-miombonantoka maro amin’ny fiahiana ara-tsosialy eto Madagasikara sy ireo avy amin’ny Fiaraha-monimpirenena.