Tompokolahy sy Tompokovavy, …
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Araky ny tatitry ny filankevitry ny Minisitra ny alarobia 23 febroary 2022 lasa teo dia hankalazaina any amin’ny Distrikan’i Manakara, Faritra Fitovinany ny fankalazana nationaly ny 8 marsa izay andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy.
Manoloana ny faharatsian’ny toe-trandro sy ho fisorohana ny voka-dratsy izay mety ho aterak’izany amin’ireo mpandray anjara dia voatery hafindra any amin’ny Distrikan’Antsirabe izany fankalazana izany.
Amin’ny anaran’ny fitondram-panjakana sy ny tenako manokana dia maneho ny fialantsiny aminareo vahoaka, ianareo vehivavy rahavavy izay efa nandroso be tamin’ny fikarakarana.
Tiana anefa ny manamarika fa tsy misy miova ny fandaharam-potoana rehetra izay efa nankatoaviana tamin’ny filan-kevitry ny Minisitra.
NY FITAOM-BITA HONO TSY MAHALEO NY SAMPONA KANEFA ALEO MISOROKA TOY IZAY MITSABO.
Misaotra Tompokolahy
Mankasitraka Tompokovavy
SOAFILIRA Princia
Minisitry ny Mponina, ny Fiahiana ara-tSosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy.