Tontosa ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny CRS sy ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy amin’ny alalan’ny tetik’asa MAHARO izay vatsian’ny USAID
Tontosa ny fifanaraham-piaraha-miasa amin’ny CRS sy ny Minisiteran’ny Mponina, ny Fiahiana ara-tsosialy ary ny Fampivoarana ny Vehivavy amin’ny alalan’ny tetik’asa MAHARO izay vatsian’ny USAID vola mitentina 45 000 000 $.
Dimy taona ny faharetan’ny tetik’asa izay ho tanterahina any amin’ny Distrikan’Ampanihy, Tsihombe ary Beloha.
Tanjona amin’izany ny fitondrana vahaolana amin’ny fahantrana lavareny fa indrindra ny hain-tany sy ny kere mahazo ny Faritra Atsimo. Tokatrano 55 880 ahitana olona 279 398 avy amin’ny Kaominina 20 no hisitraka izany.
Ny tetik’asa MAHARO dia atao mba ahafahan’ny olona misehatra amin’ny asa fambolena, ny fiompiana sy ny jono ary hanatsarana ny fiainan’ny vehivavy mitondra vohoka sy mampinono manoloana ny tsy fanjariana ara-tsakafo.