Trano 55 tafo no may kilan’ny afo androany tao amin’ny Fokontany Anosibe II, secteur 3.
Trano 55 tafo no may kilan’ny afo androany tao amin’ny Fokontany Anosibe II, secteur 3. Manoloana izany dia 61 ireo fianakaviana tsy manan-kialofana.
Nidina ifotony nijery ireo mana-manjo ny Minisiteran’ny Mponina izay notarihin’Andriamatoa Talen’ny Kabinetra sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisitera, ny BNGRC, ny Vokovoko Mena ary ny teo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra ka nitondra fanampiana ho an’ireto mponina traboina ireto.