VATSIN’ANKOHONANA | FARITRA AMORON’I MANIA
02.04.2022
VATSIN’ANKOHONANA | FARITRA AMORON’I MANIA
Tafiditra ao anatin’ireo distrika misitraka ny tetik’asa haraton’aina i Ambositra tamin’ity taona 2022 ity. Tetikasam-panjakana izay arindran’ny Minisiteran’ny Mponina, vatsian’ny banky iraisam-pirenena vola ary tanterahin’ny FID eny ifotony.
2975 ireo tokantrano marefo tao an-toerana nandray ny Vatsin’Ankohonana izay tohana ara-bola avy amin’ny fitondram-panjakana.
Nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny fanombohan’ny tetikasa tao Ambositra ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena RAZANAMAHASOA Christine sy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia, notronin’ireo manam-pahefana sivily sy miaramila ao an-toerana.