VATSIN’ANKOHONANA – FARITRA MATSIATRA AMBONY
04.04.2022
VATSIN’ANKOHONANA – FARITRA MATSIATRA AMBONY
Tokantrano miisa 9.500 amin’ireo kaominina 11 ao amin’ny distrikan’ Ambalavao no nisitraka ny tetikasa Haraton’aina.
Tetikasa izay nasiam-panitarana ka isan’ireo faritra 14 hisitraka izany hatramin’ny taona 2024 ny faritra Matsiatra Ambony.
Ho an’ny distrikan’Ambalavao manokana dia hisitraka ny tohana ara-bola isaky ny roa volana mandritry ny 3 taona ireo ankohonana izay voasokajy ho marefo.
Maro ireo asa sy tetika stratejika hoentina hanatsarana ity tetikasa ity indrindra ny lafiny fandrindrana izay sahanin’ny Ministeran’ny Mponina. Tanjona ny fampihenana ny tahan’ny fahantrana sy ny hanatsarana ny fari-piainan’ireo mponina indrindra eo amin’ny lafiny fampianarana sy ny fahasalamana ary ny fanjarian-tsakafo.
Tonga nanome voninahitra ity lanonana ity nisolo tena an-dRamatoa Minisitra SOAFILIRA Princia ny Sekretera jeneraly sy ny Tale jeneralin’ny fiahiana ara-tsosialin’ny mponina niaraka tamin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny Minisiteran’ny mponina.