VEHIVAVY MIARA-MAMOKATRA AROVAVA ORONA AMIN’NY MINISTERAN’NY MPONINA
Ny boriborintany faha 3 sy faha 5 no nanombohana ny hetsika fizarana arovava orona avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina. Izany dia natolotra ireo solontenan’ny Solombavambahoaka eny an-toerana ka izy ireo no hiandraikitra ny fizarana izany maimaimpoana eny anivon’ny fiaraha-monina.
Ireo vehivavy nahavita fiofanana momba ny zaitra tao amin’ny ivo-toeram-piofanana sy fanofanana arak’asa tao Tsimbazaza no mamokatra ireto arovava orona ireto ao amin’ny ivo-toerana sosialy Manjakaray.
Natao izany ho fanampiana azy ireo amin’ny fidiram-bola sy ny fizakan-tena.
« Tsy misy fetrany ny zava-bitan’ny vehivavy ».