Vehivavy mikambana anatin’ny vovonana Viavy Miavotse ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo no nisitraka fampiofanana maimaim-poana momban’ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina.
Faritra ITASY| Distrika Soamahamanina
Vehivavy mikambana anatin’ny vovonana Viavy Miavotse miisa 166 ao amin’ny Distrikan’i Miarinarivo no nisitraka
fampiofanana maimaim-poana momban’ny fiompiana akoho gasy nohatsaraina avy amin’ny Minisiteran’ny Mponina.
Tao amin’ny « sehatra mahasoa »Avaratapia – Soamahamanina no nanatanterahana ity fampiofanana ity ary tanjona ny hananan’ireo vehivavy mpikambana ireo fahatsaram-piainana sy fahombiazana eo amin’ny sehatra fiompiana.
Notolorana mari-piofanana ireo mpisitraka.