VOIN-KAVA MAHATRATRA TONGA MAMPAHERY NY MPONINA AO TOLIARA NY FILOHAM-PIRENENA
11.03.2023
Mahatsiaro ireo traboina vokatry ny fiverenan’ny rivodoza Freddy tao Toliara ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA mivady ka tonga nitsidika sy nankahery ary nitondra fanampiana ho azy ireo.
Nozaraina sakafo mafana ara-pahasalamana tao amin’ny Lycée Antaninarenina ireo olona miisa 900 ka nitarika ny fizarana izany ny Filoham-pirenena mivady sy ireo delegasiona niaraka taminy izay nahitana ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Teo ihany koa ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana ho an’ireo izay mila izany.
Nanamafy hatrany ny Filoha fa « amin’ny andro sarotra toy izao no ahafantarana ny tena namana ».