VOVONAM-PIFANDRAISAN’NY VEHIVAVY MPANDRAHARAHA 50 TAPITRISA ATY AFRIKA
Natao ny 12 sy ny 13 Febroary 2021 tany Mahajanga ny fisantarana ho an’ny faritra.
Ny ENDA Madagascar no mpiara-miombon’antoka mba ho tombontsoa ho an’ny fandraharahan’ny vehivavy Malagasy.
Nandray anjara tamin’izany ny vehivavy mpandraharaha miisa 30 avy amin’ny fikambanana EFOI, VMLF, KB8, ny solotena ny Minisiteran’ny indostria sy ny Varotra ary ny Asa Tanana, ny Chambre de Commerce International Boeny sy ny avy eo anivon’ny kaominin’i Mahajanga ary ireo mpanao gazety.
Natsangana ny Country Team Regional ho an’ny faritra Boeny izay hiantoka ny fampahafantarana ny fisian’ity vovonam-pifandraisana ity, sy ny fampielezana izany ho an’ny vehivavy mpandraharaha sy izay maniry handraharaha eo amin’ny faritra.