ZARA MIRA – MIARA MANAO TOMBANEZAKA NY MINISITERAN’NY MPONINA SY NY UNICEF ARY NY FID
11.10.2022
Tanterahina mandritry ny 02 andro ny tomban’ezaka mahakasika ny tetikasa ZARA MIRA izay ezaka voafaritra amin’ny paikady nasionalin’ny Fiahiana ara-tsosialy ho an’ny ankizy sy ny olona manana fahasembanana ao amin’ny kaominina Tatao (Faritra Fitovinany) sy Ifotaka (Faritra Anosy).
Tao anatin’ny volana maromaro no nanatanterahana ny tetikasa fiahiana ara-tsosialy ZARA MIRA. Ity tekikasa ity dia mandray anjara amin’ny fanatanterahana ny tanjon’ny Programme Emergence Madagascar sy ny Velirano faha-8.4 mitsinjo manokana ny ankohonana marefo, izay narindran’ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina ka natao laharam-pahamehana voalohany amin’ny Fanjakana Malagasy ao anatin’ny PEM.
Nanome voninahitra ny fotoana ny Sekreta Jeneralin’ny Mponina izay nisolo tena ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.