ZOMA FIFANAMPIANA | AMBOVOMBE ANDROY
Tokatrano miisa 1 300 ao amin’ny fokotany Anjakoaky sy Tredreho no niara-niaina ny Zoma Fifanampiana niaraka tamin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia izay nisolo tena ny fitondram-panjakana tarihin’ny Filoha Andry RAJOELINA sy ny Praiminisitra NTSAY Christian.
Ny Zoma Fifanampiana no fotoana natokan’ny Minisiteran’ny Mponina itondrana tosika ho an’ireo Malagasy marefo ara-pivelomana ka tanteraka izao noho ny fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Dawood Bohra. Sakafo masaka sy sakafo manta no nozaraina ka nahitana vary 400 lasaka sy rano 22 barika ary omby 3.
Izao hetsika izao dia manamafy hatrany ny tenin’ny Filoha hoe TSY MISY MALAGASY HO ADINO FA INDRINDRA NY ANY AMIN’NY FARITRA ATSIMO.