ZOMA FIFANAMPIANA | Distrika Antananarivo Atsimondrano
28.07.2022
Tokatrano marefo ara-pivelomana miisa 500 ao Andoharanofotsy no nisitraka vary sy hena avy amin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Natao izany ho fitsinjovana manokana ireo fianakaviana tena sahirana, ireo zokiolona ary ireo olona manana fahasembanana.
Ireo fikambanam-behivavy ao an-toerana kosa dia notoloran’ny Minisitra lelavola entin’izy ireo mampiroborobo ny fikambanany.
Nanotrona azy tamin’izany ny Solombavambahoaka Andry RATSIVAHINY sy ireo manam-pahefana sivily sy miaramila.