ZOMA FIFANAMPIANA | Distrika Antananarivo Avaradrano
28.07.2022
Nanolotra vary sy nofon-kena mitam-pihavanana ho an’ireo fianakaviana tena marefo ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Ankadikely Ilafy ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia.
Natao izany ho fitsinjovana manokana azy ireo ka anisan’izany ireo zokiolona sy ireo olona manana fahasembanana.
Nanotrona azy tamin’izany ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ankadikely Ilafy.
Noamafisiny hatrany fa natolotra am-pitiavana ireo fanampiana ireo izay nankasitrahan’ireo mpisitraka.