FARITRA ITASY | ARIVONIMAMO | EZAKA KOPIA FAOBE
FARITRA ITASY | ARIVONIMAMO
EZAKA KOPIA FAOBE
Ankizy miisa 501 tao amin’ny kaominina ambanivohitra Ambohimandry no nisitraka kopia. Fiaraha-mientana teo amin’ny Fitalevam-paritry ny Mponina any an-toerana sy ny Solombavambahoaka voafidy tao Arivonimamo, ny Fitsarana ambaratonga voalohany, ny Ministeran’ny fahasalamam-bahoaka, ny kaominina Ambohimandry sy ireo sefo fokontany no nahatanteraka izany. Nisy ihany koa ny fanentanana mahakasika ny ady amin’ny herisetra izay asa iandraiketan’ny Minisiteran’ny Mponina.