ZOMA FIFANAMPIANA | FORT DAUPHIN
ZOMA FIFANAMPIANA | FORT DAUPHIN
Ireo olona manana fahasembanana sy ireo fikambanam-behivavy no nifanakalo hevitra tamin’ny Minisitra SOAFILIRA Princia tao Fort Dauphin ho fijerena vahaolana maharitra amin’ny fiharian’izy ireo.
Ny Zoma Fifanampiana no fotoana natokan’ny Minisiteran’ny Mponina itondrana tosika ho an’ireo Malagasy marefo ara-pivelomana ka narahina fizarana tohana ho an’ireo olona tra-pahasembanana ny fotoana.
TSY MISY MALAGASY HO ADINO N’AIZA N’AIZA MISY AZY ary vonona hatrany ny Minisitry ny Mponina amin’ny fanatanterahana an’io vinan’ny Filohampirenena io