ZOMA FIFANAMPIANA HATAO ISAM-PARITRA SATRIA IRAY IHANY ISIKA MALAGASY
ZOMA FIFANAMPIANA HATAO ISAM-PARITRA SATRIA IRAY IHANY ISIKA MALAGASY
Sehatr’asa sosialy izay tena imasoan’ny Minisiteran’ny Mponina, tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana ny ZOMA FIFANAMPIANA. Mifototra amin’ny hafatran’ny Filoha Andry RAJOELINA ny amin’ny tsy tokony hisy hadino satria iray ihany isika Malagasy. Taorinan’ny faritra SOFIA dia nahazo ny anjarany ny teo anivon’ny Boriborintany I. Izao dia vokatry ny fiaraha-misalahy tamin’ny Solombavambahoaka Jocelyn Andriamanalinarivo ka Zokiolona, olona manana fahasembanana, ireo tokatrano marefo miisa 200 no nozaraina tohana.
Nakasitraka ny fifanomezan-tanana avy amin’ny orinasa tsy miankina STOI sy ny ireo mpiara-miasa amin’ny Solombavambahoakan’ny boriborintany I ny Minisitra SOAFILIRA Princia.
Efa miparitaka isam-paritra ny ZOMA FIFANAMPIANA ary ezahina ho tanteraka isaky ny zoma manerana ny Nosy.