ZOMA FIFANAMPIANA HO AN’NY MPONINA AO AMIN’NY KAOMININA IVATO
04.11.2022
Tokatrano marefo ara-pivelomana miisa 1 000 latsaka kely izay ahitana olona manana fahasembanana, zokiolona ary ireo reny manano-tena ao amin’ny kaominina Ivato no nisitraka ny tohana tamin’ny alalan’ny hetsika Zoma Fifanampiana notarihin’ny Minisitry ny Mponina SOAFILIRA Princia. Vary, menaka sy ronono ary siramamy no natolotra ho azy ireo tamin’izany.
Izany dia vokatry ny fiaraha-miasa nataon’ny Ben’ ny tanàna Penjy RANDRIANARISOA sy ny Minisiteran’ny Mponina.
Ny zoma fifanampiana dia tafiditra ao anatin’ny politika ara-tsosialin’ny Minisitera manampy sy miahy ny vahoaka tena sahirana ara-pivelomana ka enti-manatanteraka ny Veliranon’ny Filoha Andry Rajoelina amin’ny lafin’ny fiahiana ara-tsosialy.