ZOMA FIFANAMPIANA | NOTOLORANA FITAOVANA NY HOLAFITRY NY MPANAO GAZETY
05.11.2022
Tsy ny ara-tsakafo ihany no atao amin’ny hetsika zoma fifanampiana fa mijery ihany koa ireo sehatra mila fiahiana manokana ho an’ny fampandrosoana.
Notoloran’ny Minisitra SOAFILIRA Princia fitaovana toy ny birao, solosaina ary kojakoja maro samihafa ny holafitry ny mpanao gazety ao Ambohidahy.
Ireo fitaovana ireo no hanomezana lanja ny asa fanaovan-gazety ho fanampiana ny fanatrarana ny tanjona ho amin’ny fampandrosoana maharitra.